15/08/2018

Ankazomanga : Voaroban’ny jiolahy ny vola 20 tapitrisa Ariary

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana indray teny amin’ny “rond point” Ankazomanga omaly tokony ho tamin’ny mitataovovonana, ka voaroba tamin’izany ny vola 20 tapitrisa Ariary mahery, nentina tao anaty sakaosy. Araka ny loharanom-baovao teny an-toerana, dia roalahy nitondra moto Cross miloko mena sy nirongo basy no nanatanteraka ny asa ratsy, ary narahan’izy ireo avy aoriana ny lehilahy iray nandeha kodiaran-droa nitondra io vola be io. “Nobahanana fiara fotsifotsy teo alohan’ilay moto voaroba, ka tsy afa-nandroso intsony. Noraisin’ireo jiolahy tamin’ny vozon’ankanjony ilay lehilahy avy eo ka nianjera, ary nifampisintoman’izy ireo ny sakaosy nisy vola”, hoy ny fanazavan’ny olona nanatri-maso ny zava-nisy. Tsy namelan’ireo olon-dratsy moa raha tsy lasan’izy ireo io vola be ana orinasa izay saika haterina tany amin’ny banky io. Nitari-dositra nitsoaka ihany koa ireto farany taorian’izay. Teo akaikin’ny toerana hiasan’ireo mpitandro filaminana mandrindra ny faifamoivoizana eny amin’ny “rond point” Ankazomanga mihitsy moa no nitrangan’ity asan-jiolahy amin’ny antoandro be nanahary ity, saingy tsy nahasakana azy ireo hanatanteraka ny asa ratsiny, izay noheverina fa efa tsara petrapetraka dieny mialoha izany. Minitra vitsy taorian’ny antso dia tonga teny an-toerana ny teo anivon’ny polisim-pirenena, saingy efa dify tsy hita intsony ireo jiolahy. Efa manana fahasahiana tanteraka ireo olon-dratsy ankehitriny amin’ny fampitondrana faisana ireo vahoaka. Asa na noho izy ireo efa hary fitaovana sy azo heverina fa manana izany betsaka raha oharina amin’ny mpitandro filaminana fa dia mora ho azy ireo foana no manatanteraka ny asa ratsiny. Tsy milofika manoloana ny sakantsakana, ary miezaka manatsara sy manavao ny paikady enti-miady hatrany anefa ireo manam-pahefana miaraka amin’ny fanomezan-tanana avy amin’ireo fokonolona hahafahana manenjika sy misambotra azy ireny indrindra fa ireo tena atidoha sy mpamatsy ireo fitaovam-piadiana mahery vaika hampiasain’ireo jiolahy. Ankoatra ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany mantsy, dia tanjona ao anatin’izany ihany koa ny hisian’ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Mialy R.