19/12/2018

Ankadifotsy : Olona iray voatifitra

Lehilahy iray naratra voatifitra, roa hafa nipitihan’ny bala. Nipoaka nanaitra ny manodidina ny faritra Ankadifotsy indray ny basy, ny harivan’ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any. Lehilahy iray niaraka tamin’ny vadiny no naratra mafy notifirin’ny jiolahy miisa efatra nirongo fiadiana teny an-toerana, io hariva io. Araka ny loharanom-baovao voaray moa dia tsy nanam-po na inona na inona akory ity farany handeha hamonjy fodiana, fa avy hatrany dia voasakan’ireo efadahy. Tsy nisy alaharo izany fa avy hatrany dia tifitra variraka no nihatra taminy, ka nitsirara tsy nahatsiaro tena ihany ralehilahy, izay voan’ny balateo amin’ny kibony. Ora vitsy ihany no nanaovan’ireto olon-dratsy ny asa ratsiny dia nandositra izy ireo, raha ny fitantaran’ny nanatri-maso. Vokany, olona roa hafa no fantatra fa naratra ihany koa izay voapitiky ny bala. Nihorohoro noho izany ny mpandalo teny amin’ity toerana nitrangan’ny fitifirana ity, raha ny angom-baovao dia nanaitra ny maro ny feom-basy. Dimy ambin’ny folo minitra taorian’izay vao nisy polisy tonga nijery ny zava-nitranga. Araka ny fantatra moa dia tsy fanendahana mihitsy no nihatra tamin’ireto mpivady ireto. Olona handeha hamonjy fodiana avy any amin’ny toeram-piasany ireto no lasibatra tamin’izany. Raha ny angom-baovao ihany dia tahaka ny olona efa niomana ny hamono azy mihitsy ireto efadahy nifanehitra taminy ireto.. Hatreto, voalaza fa mbola tsy nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ireto niharam-boina. Ny momba ireo olon-dratsy kosa mbola tsy fantatra raha tsy mivoaka ny toeram-pitsaboana ity lasibatra. Ny hany hitan’ny olona dia efadahy tsy nisaron-tava no nahavanona ny loza. Tsy nisy ihany koa ny entana hafa lasany teny amin’ireto farany, izay heverina fa lonilony mihitsy no anton’izao zava-doza izao. Andrasana araka izany ny tohin’ny raharaha.

Valérie R.