21/02/2019

Anjozorobe : Vehivavy maty voatsindron’antsy

Vehivavy 29 taona no maty tsy tra-drano , tany amin’ny fokontany Andrebakely, kaomina Ambohibary Vohilana, distrikan’Anjozorobe ny 28 aprily lasa teo, rehefa voatsindron’ny zava-maranitra teo amin’ny faritry ny kibony, ny tanany ary ny tongony havanana. Araka ny loharanom-baovao, dia lehilahy 59 taona no nahavanona izao habibiana tsy roa aman-tany izao noho ny antony izay mbola tsy fantatra. Nitari-dositra nitsoaka moa io nahavanon-doza io taorian’ity vonoan’olona ity, ary mbola hifampitadiavan’ny zandary any Ambatomanoina amin’izao fotoana izao.

Mialy R.