18/12/2018

Anilobe Farafangana : Zandary tratra nanao kolikoly

Zandary mpiana-draharaha iray miasa ao amin’ny “poste avancé” Anilobe, ao amin’ny borigady sy kaompanian’i Farafangana no sarona nanao kolikoly tamin’ny alalan’ny fandraisana vola mitentina 1 600 000Ar ny alarobia 07 martsa lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana, dia fantatra fa fampanantenana olo-meloka hahazo fahafahana vonjimaika, izay naterina teny amin’ny fitsarana noho ny resaka vono sy ratra an-tsitrapo no tambin’ io vola noraisiny io. Nivadika tampoka anefa ilay olona voarohirohy na dia efa nolazainy aza fa efa niresaka tamin’ny mpampanoa lalàna tany Farafangana ny tenany. “Niahiahy ny fianakavian’ilay olona voarohirohy ka nampandre ny lehiben’ny zandary”, hoy ny fanampim-baovao. Vokatr’izay, dia noraisim-potsiny ity mpitandro filaminana mpiana-draharaha ity. Natao avy hatrany ihany koa ny fakana am-bavany azy, ka rehefa vita izany dia natolotra ny fampanoavana teo noho eo ihany ity farany, ary nampidirina am-ponja vonjimaika ny andron’ny alarobia io. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny paikady hamerenan’ny eo anivon’ity vondron-kery ity ny fahatokisan’ny olon-drehetra ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny fanafonjana ireo zandary tratra manao izany. Fanadiovana anatiny hatrany no tanjona mba ahafahana mampihatra ny hoe “fandriam-pahalemana ifotony mipaka amin’ny vahoaka”, izay teny filamatry ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena amin’ity taona 2018 ity.

Mialy R.