18/11/2018

Andry Rajoelina : « Putschiste » kandida

Hita eto Madagasikara avokoa izay zavatra rehetra mahamenatra tsy misy manerana izao tontolo izao. Tranga iray amin’izany ohatra ny filatsahan’i Andry Rajoelina, mpanongam-panjakana ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena…

Rafi-pitsarana

Voasoratra ao anatin’ny « accord de Cotonou » mazava tsara fa tsy mahazo mikarakara fifidianana, ary tsy mahazo mandray anjara amina fifidianana ny olona nanao fanonganam-panjakana. Toraka izany koa ny voarakitra ao anatin’ny sata mifehy ny Vondrona Afrikana. Mira lenta amin’ny lalàna rehetra ireny fifanarahana iraisam-pirenena ireny. Izany hoe, raha tena mampihatra ny lalàna araka ny tokony ho izy ireo rafi-pitsarana eto amintsika, ohatra ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC), dia tsy azony ekena io filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina io araka ireo andininy maro ao amin’ny « accord de Cotonou » sy ny sata mifehy ny Vondrona Afrikana.

Izay tsy fampiharana ny lalàna araka ny tokony ho izy izay anefa no fototry ny fahantrana sy ny korontana teto Madagasikara hatramin’izay ary manana andraikitra amin’izany ny HCC. Tsy nisy fanapahan-kevitra na iray aza noraisin’ity andrim-panjakana iray ity ka tena nahitana taratra izany fampiharana ny lalàna izany. Fanapahan-kevitra politika avokoa no navoakan’ny HCC, mba tsy hilazana hoe kolikoly avo lenta.

Nanamafy ny fisian’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara ny taona 2009 izao tontolo izao ary izany no fototr’ireny sazy maro nihatra tamin’ireo mpitondra HAT ireny. Nizaka izany sazy izany avokoa anefa ny vahoaka malagasy toa ny fiatoan’ny famatsiam-bola nampihodinana ireo tetikasa ara-tsosialy niantefa tamin’ny vahoaka, ny fiatoan’ny AGOA izay niteraka tsy fananana asa ka mampitombo isa ny mpivaro-tena, sns.

Niray petsapetsa tamin’ireo olona nanapotika ity firenena ity hatrany ny rafi-pitsarana nisy teto, hany ka voatery niditra an-tsehatra mihitsy ny hery avy any ivelany nanery ny CES ny taona 2013, nanafoana ny filatsahan-kofidian’ireo izay tsy nahafeno fepetra ka voatery nananganana ny CES II. Izao indray misy olona efa nanongam-panjakana, heloka be vava eo anatrehan’izao tontolo izao milatsaka ho kandidà amina fifidianana filoham-pirenena.

Dia mitodika any amin’ny HCC araka izany ny mason’ny mpanara-baovao, ho hita eo raha tena mpampihatra lalàna marina tokoa ve ity andrim-panjakana iray ity sa latsaka anatin’ny kolikoly politika avo lenta?

«Tsimatimanota »

Rà mandriaka sy faty olona ary faharavana, izany rehetra izany no ao ambadiky ny “rideau” maintin’ny IEM an’i Andry Rajoelina. Niorina teo ambony vonoan’olona anjatony ny fitondrana Andry Rajoelina, fitondrana azo tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana. Iza no rafi-pitsarana manana fahavononana sy fitiavan-tanindrazana hanokatra io « rideau » mainty io? Homena vahana eto amin’ny firenena ity hatrany ve ny “tsimatimanota”, homentsika vahana eto hatrany ve ny fanonganam-panjakana izay tsy nitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka nanomboka ny taona 1972?

“Demagozia”

Nilaza i Andry Rajoelina fa hoe “nandeha foana ny firenena na dia niato aza ny fanampiana sy ny famatsiam-bola avy any ivelany”. Nampiasa “demagozia” avokoa ireo mpanongam-panjakana rehetra taty Afrika sy tany Amerika Atsimo. Mety ho marina izany satria niroborobo fatratra tokoa ny fanondranana “bois de rose” nandritra ny fitondrana Tetezamita, tapitra namidy an-tsokosoko ireo fananam-bahoaka (Air Force One II), tsy fantatra izay nandaniana ireo vola be azo avy tamin’ny famarotana harena an-kibon’ny tany (1800 miliara avy tamin’ny Wisco tao Soalala), sns.

Io fanambarana nataon’i Andry Rajoelina dia ampy hanaporofoina fa mpanongam-panjakana marina tokoa ny tenany ary nanidy varavarana tamin’i Madagasikara ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena. Naka tahaka ireo mpanongam-panjakana nalaza naneran-tany mihitsy i Andry Rajoelina, nandemy ny saim-bahoaka tamin’ny alalan’ny “demagozia” nentina naneho fa matanjaka tsy mila fanampiana.