24/04/2018

Androm-pirenena ho an’ny fanadiovana : Nifanome tanana tamin’ny fanadiovana ireo mpiasam-panjakana

Tetsy amin’ny minisiteran’ny Atitany no nanamarihana ny fanombohana ny androm-pirenena ho an’ny fanadiovana, ka nanome voninahitra izany ireo mpikambana anaty governemanta. Nitarika an’izany kosa ny praiminisitra lehiben’ny Governemanta Olivier Solonandrasana. Taorian’izay dia samy nanatontosa ny fanadiovana ny minisitera tantaniny avy ireo minisitra isan-tsokajiny.