21/09/2018

Andro ririnina : Mbola miteraka tsy fitovian-kevitra ny fomba amam-panao amin’ny famorana

Dingana iray lehibe eo amin’ny fiainana ho an’ny zazalahy malagasy ny fanaovana didim-poitra, na hasoavana, na famorana. Lalam-piainana hidiran’izy ireo amin’ny tena maha-lehilahy. Na efa azo atao mandava-taona aza, dia ny andro ririnina toa izao no fotoana mety hanatanterahina izany. Ireo ray aman-dreny tany aloha dia nanana ny fandinihiny ny natiora, ka ny fahatsapana fa mora maina kokoa ny fery amin’ny andro mangatsiaka no antony nanaovana ny famorana. Tsy tazana firy intsony ankehitriny ny famorana ara-pomban-drazana fa zary efa mirona amin’ny fomba maoderina ny rehetra. Na izany aza, mbola misy ireo mitana ny fomban-drazana sasany ary mampivady izay amin’ny fomba maoderina. Samy manana ny heviny amin’izany ny tsirairay ao anatin’ny fiarahamonina. « Efa sarotra ny fiainana fa dia tsorina araka izay azo atao ny fanaovana ny famorana. Sady manahirana no fandaniam-potoana ny fanaovana ireo fomba samihafa izay tsy hita loatra ny hilana azy », araka ny fanazavan-dRasoarivelo Meltine, renim-pianakaviana avy nitondra ny zanany natao famorana tamin’ny toeram-pitsaboana iray tetsy Ambatomainty. « Amiko manokana dia nanana ny fahalalany ny Ntaolo, ary nisy ny fifandraisan’ny manodidina amin’ny zanak’olombelona. Tokony hotazonina antsakany sy andavany ny fomba amam-panao hatramin’izay mba hanana ny hasiny ny lehilahy », araka ny fanazavan-dRakotonjanahary Clément, raim-pianakaviana. Ao anatin’ireo fomba ireo ny fakana rano mahery, ny fangalarana fary ary ny fanaovana lanonana samihafa. Mbola tazana tsindraindray rahateo na efa vitsy aza, ireo mitondra ny zaza atao famorana mandihy eraka ny arabe arahin’ny mpitsoka mozika. « Efa tombony ho an’ny ankizy ankehitriny ny fisian’ireo fomba maoderina samihafa izay tsy maharary no vetivety dia maina, nefa tsy azo ariana ny fomban-drazana. Misy dikany avokoa anefa ireo fomba samihafa, ary misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny zazalahy», hoy ihany izy raha niresaka ny fampiarahana ny fomba maoderina sy ny fomban-drazana. Anisan’ireo mbola betsaka manaraka anefa ny fanomezana ny dadaben’ny zaza ny « loha-tsisiny », izay hanina miaraka amin’ny akondro. « Silak’ilay olona iny hoditra kely iny. Amin’ny malagasy, tsy fanao ny manary na mandevina ampahan’ny nofon’ilay olona raha mbola velona izy, ka antony hitelemana azy », hoy hatrany izy. Maro amin’ireo mpitsabo ihany koa anefa no manana ny fomba fijeriny amin’ny fanaovana famorana. « Heverina fa antony nahatonga ny Malagasy mifora ny fandovana ny fomban’ireo teo aloha, ary koa ny lafiny ara-pivavahana araka ny voalazan’ny Baiboly », araka ny fanazavana nentin’ny Dokotera Bariniaina Fidy, tompon’andraikitry ny Clinique Medico-Chirurgicale Fidy etsy Ambatomainty, sady mpitantana ny Image appli etsy Anjanahary. Ny antony iray hanaovana famorana anefa dia ny antony ara-pahasalamana. « Anisan’ny tombontsoa lehibe azon’ny olona mifora ny fahadiovana. Mitahiry loto rehefa avy mivalan-drano na rehefa avy manao firaisana ilay hoditra kely manarona ny filahiana iny », araka ny fanamarihana nentiny. « Mora mandray otrik’aretina araka izany ny olona tsy mifora, na otrikaretina tsotra, na ireo azo avy amin’ny firaisana », hoy ihany ny fanazavany. « Ny dokotera rehetra dia efa voaofana ho amin’izany avokoa, ary afaka manao didim-poitra », hoy ihany ny fanamarihan’ny dokotera Bariniaina Fidy. Zary efa tsy tazana ary mahalana raha mbola misy ireo rain-jaza.

Arahaba ririnina e !

Raha ny fomba taloha no jerena dia misy dingana maro ny famoran-jaza, ka aorian’ny fijerena andro mifanaraka amin’ny vintan’ny zaza araka ny andro nahaterahany dia misy enina ireo fomba tsy maintsy atao. Efa tsy fahita intsony anefa ny ankamaroan’izy ireo toa ny « mivaky volo » (taovolo ataon’ny renin-jaza mba hisorohana ny fihintsanan’ny volo amin’ny fery), ny «mitohy fenitra sy mifehy voatavo » (tomerina lamba landy ny trano hanaovana ny hasoavana, ary mikarakara ny voatavo atao siny hakana rano ny lehilahy)… Saika hita tsindraindray eny ihany kosa anefa ny « fakana ranomahery », ny fakana fary ary ny dihy aman-danonana eo am-piandrasana ny didim-poitra. Mbola voatahiry ary mbola be mpampiasa amin’izao fotoana ihany koa anefa ny fomba fiarahabana amin’io andro io, dia ny « Arahaba ririnina e » ary valian’ny tompon-draharaha amin’ny hoe « Samy vita e ».

Areza sy antsy pika

Misy fivoarana ny zava-drehetra ary manaraka izany koa ny zava-drehetra. Maoderina vita vetivety, tsy mandeha rà, afaka mandeha avy hatrany ny ankizy. Maoderina ny fitaovana ampiasaina, voatandro ny fahadiovana, misy ny fanafody. Ny dokotera rehetra dia efa nofanina amin’izany daholo. « Mitovy foana ny fomba fanaovana hasoavana na amin’ny fomba nentin-drazana, na ny fomba maoderina fa ny fitaovana ampiasaina no tsy mitovy. Areza sy antsy pika no nampiasain’ny rain-jaza aloha fa fitaovana maoderina no ampiasain’ny dokotera », hoy hatrany ity mpitsabo ity. Araka izany, tsy misy fiatraikany ao amin’ny fiainan’ny lehilahy amin’ny ankapobeny ny fomba nanaovana didim-poitra azy. Ireo zazalahy manana filahiana somary fohy no mila fitandremana ny fanaovana didim-poitra azy. « Efa misy amin’izao fotoana ny fanafody entina manalehibe izany mialoha ny hirosoana amin’ny hasoavana », araka ny fanamarihana nentin’ny Dokotera Bariniaina Fidy ihany.

Miarantsoa