16/11/2018

Andravoahangy : Mpivady nahatrarana vola sandoka

Lehilahy iray sy vehivavy iray, voalaza fa mpivady no tratra am-bodiomby teo am-pandefasana vola sandoka teny Andravoahangy ny talata lasa teo. Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny polisim-pirenena, dia mody nividy entana teo amina mpivarotra kojakojan-dakozia iray teny an-toerana izy ireo no tsikaritry ny mpivarotra ny teti-dratsiny. Nampandre mpitandro filaminana avy hatrany ireo niharan’ny asa ratsy, ka minitra vitsy taorian’izay dia nigadona teo an-toerana ireo polisy. Noraisim-potsiny izy mivady ireo, ary nentina nanaovana fanadihadihana teny amin’ny biraon’ny manam-pahefana ahafahana mamakafaka sy mamantatra ny niavian’ireo vola hosoka ireo. Rehefa natao ihany koa ny fisavana dia sarona teny amin’izy ireo, ireo vola tsy izy fito alina Ariary. Raha ny nambaran’ny fianakavian’izy mivady ireo moa, dia tambanivohitra mivarotra gisa amam-borona eo Andravoahangy ireto farany, ary voan’ny olona ihany koa ka tsy nahafantatra ireo vola ho sandoka velively. Na dia teo aza anefa izay fanazavana nentin’ny havan’izy ireo izay, dia tsy navotsotr’ireo mpitandro filaminana avy hatrany ilay rangahy izay tsikaritr’ireo manam-pahefana ho nampiahiahy. Nentina teo anatrehan’ny fampanoavana afakomaly ny raharaha ka nadoboka am-ponja vonjimaika io lehilahy io. Raha ny fantatra, dia anio ihany dia hiakatra fitsarana ny raharaha. Nisesisesy ny fahatrarana vola sandoka teto Antananarivo, tao anatin’ny iray volana sy tapany izay. Raha tany amin’ny renivohi-paritanin’i Toamasina no tena nahenoana matetika izany teo aloha, dia efa mivezivezy sy miparitaka eto an-toerana ireo vola tsy izy, indrindra fa ireo iray alina Ariary vaovao amin’izao fotoana izao.

Mialy R.