22/02/2018

Andranomena : Mirongatra ny vaky trano

Mampikaikaika ny mponina eny Andranomena sy ny manodidina ny trangana vaky trano, izay efa misesisesy eny amin’iny faritra iny. Miasa andro aman’alina araka izany ny mpitandro filaminana ao amin’ny boriborintany fahenina amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy mpanabotry olona. Lehilahy iray manodidina ny 26 taona araka izany no voasambotra taorian’ny fitarainana voarain’ny polisim-pirenena nataon’ny niharam-boina mahakasika ny trangana vaky trano nahazoana tatitra iray, niseho ny alatsinainy hifoha talata 6 febroary lasa teo. Fantatra araka ny fampitam-baovao avy amin’izy ireo tamin’izany mantsy fa io lehilahy io no voarohirohy voalohany ho tompon’antoka tamin’io resaka vaky trano io, raha tonga mivantana nanatanteraka fanadihadiana tao amin’ilay trano niharam-boina ny mpitandro filaminana, araka ny filazan’ny tompon-trano sy ny manodidina. Nanomboka nanatanteraka fanadihadiana mahakasika ny raharaha ny avy eo anivon’ny polisy taorian’ny fanadihadiana natao tamin’ireo tompon-trano niharan’ny vaky trano nandritry ny alina. Nahitam-bokany noho izany ny fikarohana nataon’ny mpitandro filamianana, ka voasambotra ny ampitson’ny halatra ihany ity lehilahy tompon’antoka tamin’izany asa ratsy izany, ka nanondro lehilahy iray manodidina ny 22 taona izay notononony ho iray petsapetsa taminy tamin’io vaky trano io ny alin’ny alatsinainy io ihany mipetraka eny amin’ny manodidina ihany. Voaporofo tamin’izany ihany koa fa lehilahy efa mpamaky trano ireto farany, ka ampy nitazomana azy ireo ny fanazavana azo avy amin’ny olona niharan’ny vaky trano. Nentina avy hatrany natao fanadihadiana teny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina izy ireo natao fanadihadiana taorian’izay.

Valérie R.