14/08/2018

Andraharo : Tra-tehaka ilay mpisoloky mpamerin-keloka

Noraisim-potsiny teo am-panatanterahana ny asa ratsiny teny amin’ny orinasa iray etsy Andraharo ny vehivavy mpamerin-keloka efa ikoizana amin’ny asa fisolokiana. Araka ny voalazan’ny teo anivon’ny polisim-pirenena, dia tamin’ny sabotsy 05 mey lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina ity ramatoa ity no nigadona tao amin’io orianasa io, ary nitonona ho mpiasan’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana na ny OMS. Nitaky vola 40 000 Ariary avy hatrany tamin’ny tompon’andraikitra izy rehefa avy nijerijery sy nihodinkodina tao an-toerana. Na dia nampiseho taratasy maro isan-karazany nentina nanaporofoana tamin’ ireo mpiasa tao amin’io orinasa io ny amin’ny tokony handoavan’izy ireo io vola voalaza io aza ity mpisoloky gaigy vavy ity, dia namahimahina ireto farany izay nampandre mpitandro filaminana avy hatrany ny fihetsiny. Vokany tonga teny an-toerana fotoana vitsy taorian’ny antso ireo polisy, ka tratra am-bodiomby sy noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny ity mpisoloky ity. Amin’ny maha mpamerin-keloka azy, dia efa nifonja teny Antanimora nandritra ny roa taona ny tenany ny taona 2017. Mbola nanohy ny ratsy fanaony anefa io vehivavy io taorian’izay, ary mbola nisazy enim-bolana talohan’izao nahatrarana azy izao indray. Ankoatra ny orinasa, dia tetezin’ity mpisoloky ity ihany koa ny toeram-pivarotana, ka hataony lasibatra voalohany amin’izany ireo mpivarotra hani-masaka. Lazainy fa tsy manaraka ny fenitra tokony ho izy ireo mpivarotra ka hangalany vola. Ho an’ireo mbola tsy mahafantatra, dia mihorohoro avy hatrany ary manome izay tadiaviny.

Mialr R.