25/05/2018

Andohatapenaka : Roavavy mpanao menaka lavanila hosoka tra-tehaka

Notanana am-ponja vonjimaika noho ny resaka fisolokiana avo lenta amin’ny fivarotana menaka lavanila hosoka ny roavavy voasarigotra ho tompon’antoka tamin’izany, taorian’ny fakana am-bavany azy ireo teny amin’ny tribonaly Anosy. Omaly araka izany no natolotra ny teo anivon’ny fampanoavana ireo roavavy nisoloky ireo, rehefa voapaingotra tamin’ny vela-pandrika hanatrarana ny teti-dratsiny ny zoma 10 mey lasa teo, teny Andohatapenaka. Voalaza tamin’ny fanadihadiana ihany koa fa paikady nentina hamitahana, izao nahavoazan’izy ireo olona izao, ary efa maro ny lasibatra tamin’izany. Voamarina nandritry ny fanadihadiana azy ireo tamin’izany fa vovoka lavanila hamboarina no nataon’ireto mpahay azy ao anatin’ilay menaka tsotra hitadiavana mpividy. Niainga tamin’ny fanairana nataon’ilay ramatoa voasoloky araka izany no nandraisan’ny mpitandro filaminana fepetra handravana ireo andiam-behivavy manodidina ny efatra sy ireo iray petsapetsa aminy voalaza fa efa nahavoa olona maro, araka ny tatitra. Tamin’izany no nahazoam-baovao fa tamin’ny fifanarahana nataon’ireto vehivavy no nahatapaka ny vidin’ilay menaka ka voalaza fa mitentina 50 tapitrisa Ariary ny teti-bidin’izany. Nandritry ny fifanarahana tamin’izany no nahafantarana fa tsy mitombina ny aferan’ireto nilaza azy ho mivarotra ny menaka lavanila, ka nanaovana fotoana izy ireo ary narahan’ny paikady efa nomanin’ny mpitandro filaminana hanatrarana ireo andiam-behivavy mpisoloky. Sarona tamin’io fotoana io tamin’izany ihany koa fa menaka tsotra no nasiana hanitra lavanila nandritry ny handrana natao, izay efa lasan’ireto mpanao hosoka ny ampaham-bola vidin’ny menaka hosoka. Mbola eo am-pikarohana ireo tena atidoha amin’ity endrika fisolokiana ity amin’izao ny mpitandro filaminana nisahana ny raharaha, raha voalaza tamin’ny fanadihadiana fa misy teratany vahiny ao ambadik’io afera io. Ankoatra izay dia efa naiditra am-ponja ihany koa ireo roalahy hafa tra-tehaka teny Tanjombato, ny faran’ny herinandro lasa teo tamin’ity raharaha fanaovana hosoka amin’ny fanaovana menaka lavanila ity, izay karazana fisolokiana efa mihamahazo vahana indray tato ho ato.

Valérie R.