19/12/2018

Andohalo : Vehivavy roa nangalatra môtô

Tsy ny lehilahy irery ihany amin’izao fotoana no mangalatra fa ny vehivavy ihany koa dia efa maro izy ireo no voasambotra amin’ny resaka harom-paosy, fisolokiana avo lenta, firaisana tsikombakomba amin’ny fikambanan-jiolahy. Anisan’izany ihany koa ity tranga iray nahazendana niseho teny amin’ny faritra hiadidian’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny boriborintany faharoa ity, izay izy ireo no namoaka ny fifampikarohana ireto vehivavy naharaisana fitarainana mahakasika ny halatra môtô mipetrapetraka eny amin’ny manodidina. Efa volana maromaro araka izany no nanaovana fifampikarohana ireto vehivavy isan’ny mpanao izany asa ratsy izany, ka tra-tehaka teny Andohalo ny sabotsy lasa teo izy ireo, izay fiaraha-miasa avy amin’ireo olona efa lasibatra tamin’izany no nahazoana azy ireo, tamin’ny vela-pandrika. Fantatra araka ny fampitam-baovao tamin’izany mantsy fa nandritry ny nanolorana ny raharaha teny amin’ny fampanoavana dia efa namidin’izy roa vavy ireo avokoa ireo môtô halatra miisa roa ireo. Nidoboka eny Antanimora araka izany ny iray tamin’ireo rehefa samy nalaina am-bavany, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny iray namany araka ny fanapahan-kevitry ny mpampanoa lalàna.

Valérie R.