18/12/2018

Andavamamba : Lehilahy nisandoka ho polisy

Niteraka korontana sady nanaitra olona maro teny Andavamamba sy ny manodidina ny savorovoro nentin’ny lehilahy misa roa, izay saofera ny iray tamin’izany raha voalaza fa mpandeha kosa ny lehilahy iray. Ny alakamisy hariva lasa teo no nisehoan’izany, izay fantatra araka ny loharanom-baovao fa nisy tsy fifankahazoana teo amin’ilay mpitondra fiara taksi sy ny mpandehany. Nivoaka avokoa ny olona teny an-toerana nahare izany tamin’ny andro misasak’alina. Araka ny fampitam-baovao mantsy dia voalaza fa saika hanendaka ilay mpamily io lehilahy mpandeha taminy io, izay tsy nisy afa-tsy izy irery ihany no nandeha tamin’ny fiara. Nokendainy ity farany no nitondra ny fiara izay narahina fandrahonana, ka nifatratra tany amin’ny vavahadin’olona teny an-toerana. Nitangorona avokoa ny olona nijery ny zava-niseho, ka nambaran’ity olon-dratsy ity tamin’ireo olona nanatri-maso tamin’izany fa mpitandro filaminana ny tenany, hoy ny loharanom-baovao. Tonga mivantana teny an-toerana araka izany ireo mpitandro filaminana taorian’ny fampandrenesana azy ireo. Samy nilaza ny fahitany ny zava-nitranga avokoa tamin’izany ireo olona nahita ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, izay mbola siosion-dresaka no nandeha fa nisy zava-maranitra mihitsy teny amin’ity nilaza ho polisy ity nentina nanakendana ilay mpamily. Nohamafisin’ity mpamily ity hatrany teo anatrehan’ireo polisy tonga nanatanteraka ny asany izany fa “nilaza ity mpisoloky ity fa hovonoiny raha toa ka tsy manome ny vola rehetra”, hoy ihany ny fitantarany ny zavatra nahazo azy. Nanda hatrany ity tovolahy ity tamin’ny fanadihadiana natao azy teny an-toerana, ka natao ho isan’ny nitazomana azy voalohany tamin’izany ny fisandohana andraikitra amin’ny filazana fa mpitandro filaminana nanolona ireo mponina. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany ity lehilahy mpisandoka ity, ary tsy nilaza mihitsy ny antony nanosika azy hanao izany herisetra miaro fandrahonana izany, hoy ny ihany ny tatitra. Natolotra ny fampanovana omaly araka izany ity lehilahy voarohirohy tamin’ny resaka fanendahana miaro fandrahonana mpamily fiara ity, izay nentiny nanarontsaromana ny asa ratsiny tamin’izany ny filazana fa mpitandro filaminana izy. Voaporofo tamin’ny fakana ambavany azy tamin’izany fa saika handroba ny vola teny amin’ilay lehilahy nitondra fiara io izy, noho ny andro efa nandroso alina, ka noheveriny ho tsy hisy ahafantatra izany mihitsy. Nidoboka am-ponja vonjimaika avy hatrany araka izany ity lehilahy nisandoka andraikitra ity taorian’ny famotorana ny raharaha.

Valérie R.