20/07/2018

Andakana Ambohidratrimo : Zanaka karana nalaina jiolahy an-keriny

Raha mbola eny am-pelatanan’ireo jiolahy i Navage Veldjee, dia efa nitrangana kidnapping vaovao indray tany amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny omaly tokony ho tamin’ny 04 ora tolakandro. Araka ny voalaza, dia teo amin’ny Golf Andakana no nitrangan’ity fakana an-keriny ity, ary ny zanak’ilay mpandraharaha karana Chandarana, tompon’ny hotely Le Grand Mellis etsy Tsaralalàna indray no lasibatra tamin’izany. Mbola tsy nahazoam-baovao hatreto ny isan’ireo mpanao kidnapping sy ny lalana nizoran’izy ireo taorian’io fakana an-keriny io. Raha tsiahivina dia efa niharan’ity asa ratsy ity nataona jiolahy efa-dahy nirongo basy mahery vaika sy nitondra moto cross ity fianakaviana iray ity ny 07 jona tamin’ny taon-dasa, ary izao niverenan’ireo jiolahy izao indray.

Mialy R.