21/09/2018

Analamahitsy : Toerana fampiadiana akoho mampitaraina ny olona

Mampimenomenona ny mponina eny Analamahitsy ambany Andrefana ny fisiana kianja iray fampiadiana akoho eny amin’ny “Parc et Jardin” eny an-toerana. Ankoatra ny tabataba sy ny korontana aterak’izany isaka ny alahady mantsy, dia nambaran’ireo olona izay tsy faly amin’ny fisian’io toerana iray io mihitsy, fa miteraka tsy fandriam-pahalemana eny amin’ny manodidina izany. Tsy asian-teny intsony hoy hatrany izy ireo ny fisiana fanamafisam-peo midobodoboka sy ny tenin-dratsy maro isan-karazany izay manimba sofina. Tsy ireo ihany anefa no zava-mitranga eny an-toerana rehefa tonga io andro io, fa nohamafisin’ireo mponina fa mbola ahitana toeram-pivarotana zava-pisotro misy alikaola sy mpifoka zava-mahadomelina ihany koa. “Miteraka tsy filaminana ny fisian’io kianja io, satria dia maro loatra ny karazan’olona tsy fanta-piaviana mifamezivezy eo amin’io toerana fampiadiana akoho io. Lasa misy mpanendaka ety aminay raha lavitr’io asa ratsy io teo aloha”, hoy ny ny fitantaran’ireo olona eny an-toerana. Raha ny fantatra, dia efa nisy moto very teny amin’ny manodidina ny 14 mey, iray andro taorian’ny nisian’io toerana filokana io vokatr’izay fahamaroan’ny olona tonga mampiady sy mijery adin’akoho izay. Manoloana ny zava-misy, dia mitaraina sy miferotr’aina ireo mponina, indrindra fa ireo izay alim-podiana. Efa nametraka fitarainana teny amin’ny filoham-pokontany, ny delegen’ny boriborintany fahadimy, ny lehiben’ny distrika, ary ny kaomisarian’ny polisy moa ireo mpiray monina amin’ ny hanafoanana io kianja io, saingy mbola tsy nahitam-bokany izany hatreto. Efa nihitatra zavatra hafa ihany koa ny raharaha satria raha ny fanazavana hatrany, dia efa misy mandefa feo fandrahonana an’ireo rehetra izay nanasonia io fitarainana io. Ao anatin’ity tranga ity, dia miandrandra ny hijerena amin’ny fo tsy miangatra ny toe-draharaha ireo mponina eny Analamahitsy Ambany Andrefana, izay manahy mafy ny hisian’ny kolikoly, ho tombontsoan’ny rehetra.

Mialy R.