20/06/2018

Ambositra : Hosantarina amin’ny kilonga milalao ny « angaredona »

Hetsika ho an’ny mozika fototra. Hosantarina amin’ny kilonga milalao ny hetsika « Angaredona », izay hatao ao Ambositra manomboka rahampitso ary tsy hifarana raha tsy ny faha-6 aogositra izao. Hahazo sehatra amin’io hetsika io ireo ankizy 8 ka hatramin’ny 13 taona amin’ny fifaninanana samihafa. Taranja telo no hifaninana amin’izany dia ny hazakazaka kodiarana, ny tosika kalesy ary ny tongo-daika. Eo an-tampon’Ivaniny, no hanatanterahana izany mandritra ny telo andro. Hisy sokajy samihafa ireo mpandray anjara ary hisy ny loka avy amin’ny mpanohana omena ireo ankizy mpandresy. Fomba iray hanolorana fialam-boly ho an’ny ankizy manoloana ny firoboroboan’ny teknolojia ny « Kilonga milalao », izay nosantarina tany ambohimanga tamin’ny taona 2015.

Ankoatra ny Kilonga milalao, efa tafiditra amin’ny hetsika Angaredona ihany koa ireo fifaninanana samihafa, ny atrikasa momba ny gitara, valiha, ampinga lava…

 

Miarantsoa