12/12/2017

Ambohitsiroa Ambohidratrimo : Mpivady nidaroka zaza sembana

Nataon’ny fokonolona fitsaram-bahoaka tao Ambohitsiroa Kaominina Ambohidratrimo ny mpivady izay nidaroka zaza sembana. Ny harivan’ny zoma lasa teo no nisehoan’izany. Ny zokiny sy ny vadin’ny zokiny ihany no nahavita nanao izany fikasihan-tanana izany, ka niteraka ratra ho azy izany. Voalaza tamin’izany fa nodarohan’izy ireo tamin’ny tsy antony ity zazalahikely vao 13taona ity. Ny alin’io zoma io ihany, ka nisy nahita izy ireo nidaroka ilay zaza ka naratra mafy izy noho fianjerany avy eny am-baravarankely. Tsy nahatanty ny fampijaliana natao tamin’io zaza efa malemy io araka izany ny mpiray tanàna, ka niantso ny fokonolona mba hijery sy hijoro amin’ny fampijaliana ny zaza, ka tamin’izany no nahatonga azy ireo nitroatra, ary nanafay azy mivady ireo. Efa naratra avokoa izy ireo vao tonga nijery ny zava-nitranga ireo zandary teny an-toerana, ka nentina nohadihadiana izy ireo taorian’izay.

Valérie R.