22/05/2018

Ambohimiandra : Lehilahy niboridana hita faty tanaty lobolobo

Lehilahy manodidina ny 30 taona any ho any no hita faty tany anaty lobolobo teny akaikin’ny “hôpital des enfants” teny Ambohimiandra omaly vao maraina. Efa tsy niakanjo intsony ny vata mangatsiakany tamin’izany, ary rehefa natao ny fitsirihina ny razana, nahitana ratra ny faritry ny lohany sy ny vatany.Vinavinaina ho nendahin’ireo nahavanon-doza ary novonoina ity lehilahy ity taorian’izay. Nilaza ho tsy nisy nahafantatra azy ny olona teny amin’ny manodidina, saingy rehefa nandeha ny fanadihadiana nataon’ny polisy izay tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana, dia fantatra fa tsy mponina ao amin’ny fokontanin’Ambohimiandra ity niharan-doza ity. Raha ny voalaza, dia efa matetika hahitana vonoan’olona foana eny amin’iny faritra iny, ary mampitaraina ny olona ny tsy fahandriam-pahalemana eny an-toerana, na dia efa misy foana aza ny fisafoana matetika hataon’ireo mpitandro filaminana .

Mialy R.