20/07/2018

Ambohimangakely : Lehilahy maty main’ny herinaratra

Lehilahy 43 taona, mpiasa ao amina garazy fanamboarana fiara iray eny amin’ny fokontany Ikianja, kaominin’Ambohimangakely no maty tsy tra-drano rehefa main’ny herinaratra tamin’ny alalan’ny tariby niboridana. Vokany maty teo noho eo ity niharan-doza ity. Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimangakely nijery ifotony ny zava-nisy. Taorian’ny fitsirihina natao dia natolotra ny fianakaviany ny razana.

Mialy R.