17/07/2018

Ambohidratrimo : Zazalahy 07 taona maty an-drano

Ankizy 07 taona no namoy ny ainy rehefa natelin’ny renirano tao Ankadivorimena, kaominina ambanivohitr’Ambatolampy Tsimahafotsy, Distrikan’ Ambohidratrimo ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 06 ora sy 15 minitra hariva. Araka ny voalaza, dia nilalao sy nilomano tao amin’io renirano io ity zazalahy ity sy ny namany izao niharan-doza izao. Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao Imerimandroso niaraka tamin’ny mpitsabo nanao fitsirihina ny vata-mangatsiaka.

Mialy R.