21/01/2018

Ambohidratrimo : Tranona karàna norobaina valo lahy

Nisehoana fanafihana teratany karàna teny Soamanandray kaominina Ambohidratrimo. Ny marainan’ny sabotsy 2 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora. Valo lahy tsy misaron-tava no fantatra fa nanatanteraka izany. Tsy tao an-trano izy ireo tamin’io fotoana io, fa ny mpiambina irery ihany no tao nanao ny fiambenana ny trano. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny olona nanatri-maso ny fihetsik’izy ireo dia toa hita ho olona nirahina hitaona ny entana izy ireo, raha ny tombatombana tamin’izany dia ohatran’ny hifindra monina izy ireo, ka voairaka hanatanteraka ny fitaomana ny entana ireo lehilahy maromaro ireo. Satria moa mbola azo lazaina ho maraina ny andro, ka tsy nisy nanara-maso ny fihetsik’izy ireo tamin’izany intsony ny manodidina, fa nanohy ny asa fanaony tamin’ny fikarakarana tokantrano, ka tsy naharaka izay niafarany. Ora vitsivitsy taorian’izay vao tonga tao an-trano ny tompon-trano nahita ilay mpiandry ny tanànany efa nifatotra tamin’ny tady teo amin’ny seza. Ny ampahan’ny entana lafo vidy tao an-trano kosa dia efa lasan’ireo mpanao ratsy avokoa.

Valérie R.