21/07/2018

Ambohidratrimo : Naiditra am-ponja ilay tovolahy namono ramatoabe

Omaly no nentina teo anatrehan’ny fampanoavana etsy amin’ny tribonaly Anosy ilay tovolahy 19 taona namono nahafaty ramatoabe 82 taona , ka nalefa vonjimaika eny Antanimora miandry ny fotoam-pitsaràna azy ity nahavanon-doza ity taorian’izay. Teny amin’ny fokontany Ankadivory, kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo moa no nisehoan’ity vonoan’olona ity tamin’ny asabotsy maraina lasa teo tokony tamin’ny 07 ora. Rehefa natao ny fanadihadiana azy, dia fantatra fa tratran’ilay niharan-doza nisavasava sy saika hangalatra tao amin’ny efintranony ity farany , ka rehefa niantso vonjeo io vehivavy io, dia nokendainy tamin’ny fe-tenda ary tsy namelany raha tsy nanefa hatramin’ny ainy. Rehefa hitany ho tsy nahatsiaro tena sy tsy nisy vovok’aina intsony io ramatoa efa nahazo taona io dia lasa nandeha nitsoaka ity tovolhy ity. Nifanehitra tamina olona tonga hitsidika ity namoy ny ainy teo am-baravarana anefa io nahavanon-doza izay misy rohim-pifandraisana tamin’ilay maty io ka tsy afa-niala intsony ary noraisim-potsiny rehefa nifanenjehan’ny fokonolona na dia nikasa ny handositra aza. Fantatra ihany koa fa tsy vao sambany io tovolahy io no nandrairay tao amin’ity tokantrano ity saingy izao niafara tamin’ny famoizan’ain’olona izao ny fahazaran-dratsiny. Notazomina tao amin’ny borigadin’I Talatamaty moa ny tenany vantany vao voasambotra sy talohan’izao nanolorana azy teo anatrehan’ny fampanoavana izao.

Mialy R.