20/08/2018

Ambohidratrimo : Mpivady mpanamboatra basy sarona

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny politikan’ny vondron-kery eto amintsika ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana, ary hanaovana ezaka maro mihitsy izany mba hanjakan’ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana. Noho ny filazam-baovao marim-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo sy ny fanaraha-maso nataon’ny mpitandro filaminana nandritra ny telo andro, dia mpivady mpanamboatra basy vita gasy no voasambotry ny polisin’ny SAG (Service Anti-Gang) sy ny polisin’ny BC teny amin’ny trano fonenany teny Andakana, distrikan’Ambohidratrimo ny alakamisy hifoha ny zoma lasa teo. “Tratra am-bodiomby teo am-panamboarana io fitaovam-piadiana io mihitsy izy ireo. Mbola hita teo akaiky teo ihany koa ny fitaovana fampiasa amin’izany sy ny basy efa vita”, hoy ny fanampim-panazavana avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Rehefa niroso tamin’ny fanaovana fanadihadiana sy ny fijerena ireo fitaovam-piadiana, miendrika toa ny basy kalaky sy basim-borona ireo moa ny mpitandro filaminana, dia voaporofo fa tsy mifanalavitra, ary tsy ambaka amin’ny basy vita avy any ivelany ny herin’izany, satria dia mahafaty avy hatrany. Nahitana basy poleta ihany koa tamin’ireo fitaovam-piadiana vita teto an-toerana ireo, izay efa nogiazana avokoa. Mbola tsy fantatra kosa ny olona mpandray ny entana efa vita sy ny toerana hamarotana izany. Isan’ny mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika ny fisian’ireo mpanamboatra basy vita gasy, izay hita fa efa matihanina tokoa. Nohamafisin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka mihitsy aza fa ny fisian’ireny olona ireny, izay isan’ny mpamatsy fitaovam-piadiana ireo jiolahy, no isan’ny mahasarotra ny fifehezana, ary tsy mety mahafongana ny fiparitahan’ny basy eto amintsika. Rehefa vita ny fakana am-bavany azy mivady ireto, dia atolotra ny fampanoavana ny raharaha.

Mialy R.