19/07/2018

Ambodivona : Mpiasana haino aman-jery voatsatok’antsy

Lehilahy mpiasa amina haino aman-jery iray eto an-drenivohitra, handeha hamonjy ny toeram-piasany no niharan’ny asa fanendahana tetsy Ambodivona, manoloana ny vavahady miditra ao amin’ny Tana Water Front , omaly tokony ho tamin’ny 05 ora maraina. Araka ny angom-baovao natao teny an-toerana, dia sady voaendaka no voatsatoka ny zava-maranitra teo amin’ny faritry ny tendany, ny lamosiny ary ny feny. Vokany, naratra mafy ity farany ary nandriaka eraka ny arabe miditra eo amin’ny vavahady mankany amin’ny Tana Water Front ny rà. Raha ny voalaza hatrany, dia mbola afaka nitsangana ary mbola afaka nanavotra ny tenany io lehilahy io na dia teo aza ny zava-nanjo azy. Nitari-dositra nitsoaka kosa ireo efa-dahy voalaza fa nahavanona izany asa ratsy izany taorian’izay. Nentina avy hatrany teny amin’ny “Espace Médical” teny an-toerana moa io voatsindron’antsy io, ary nalefa teny amin’ny hopitaly Manara-penitra sy ny hopitaly Hjra avy eo. Raha ny fantatra, dia tsy misy atahorana ny ainy, ary omaly ihany izy dia nalefa nody rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Araka ny fanadihadiana natao teny amin’ny manodidina ihany, dia fantatra fa tsy vaovao amin’iny toerana iny intsony ny resaka fanendahana miaro tsindron’antsy, ary efa voasokajy ho isan’ireo faritra mena hanjakan’izany eny Ambodivona akaikin’ny barrière sy ny Jirama ary ny “Espace Médical” iny. Raha ny filazan’ny olona miasa sy mipetraka eny an-toerana ihany koa, dia rehefa hadiva haraina amin’ny 04 ora hatramin’ny 06 ora any ho any no fotoana tena hanararaotan’ireo olon-dratsy hanatanterahana ny asa ratsiny. Tsy mifidy asiana ireo andiana mpanendaka mirongo zava-maranitra ireo amin’izany fa dia petahan’izy ireo avokoa izay sendra azy. “Vao roa tokom-bolana no niasako teto fa efa tsy latsaky ny inefatra aho no naheno tranga nitovy tamin’iny zava-niseho anikeo maraina iny”, hoy ny nambaran’ny lehilahy iray miasa tsy lavitra ny toerana nisehoan’ity asa ratsy ity. Ny vola sy ny finday teny amin’ity mpiasa amina haino aman-jery ity moa no lasan’ireo olon-dratsy. Manoloana ny zava-misy dia mangataka ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana ireo mponina eny an-toerana izay mahatsiaro mandry andriran’antsy isaka ny mivoaka ny trano fonenana sy ny toeram-piasana.

Mialy R.