25/05/2018

Ambatomainty : Vehivavy maty voadonan’ny fiara taksibe

Vehivavy iray no maty tsy tra-drano rehefa voadonan’ny fiara taksibe zotra H mianavaratra ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany maraina. Araka ny loharanom-baovao, dia handeha hiampita ny arabe ity niharan-doza ity no voadona, ary izao saika voahitsaky ny kodiarana alohan’ity fiara fitateram-bahoaka ity. Tao ihany koa ireo nilaza fa tafintohana ary nianjera izy talohan’ny saika hiampitany ka izao niharam-boina izao.

Mialy R.