19/12/2018

Ambanidia : Rangahy nisy namono hita faty

Raim-pianakaviana iray izay voalaza fa tratra alina raha handeha hamonjy fodiana eny Ambatoroka no hitan’ny olona nitsirara tao anaty hady teny Ambanidia akaikin’ny EPP Volosarika omaly maraina tokony ho tamin’ny 07 ora sy 30 minitra. Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa etsy Ambohijatovo izay nandray an-tanana ny raharaha, dia an-keviny novonoina, vao natsipy tao amin’io toerana io ny vata mangatsiakan’ity rangahy ity. Hita naratra mafy vokatry ny vono sy daroka nihatra taminy mantsy ny faritry ny lohan’ity niharan-doza ity. Rehefa natao ihany koa ny fisavana azy tamin’ny fotoana nampiakarana ny razana, dia tsy nahitana na inona na inona intsony. Nisy tamin’ireo olona teny an-toerana ihany koa anefa no nieritreritra fa mety nasosan’ny lalana malama no nampianjera io rangahy io, ary izao nitarika ny famoizany aina izao. Ny valin’ny fanadihadiana irery ihany, izay efa misokatra amin’izao fotoana izao no afaka hanamarina izay voalaza. Ankoatra ireo mpitandro filaminana moa, dia tonga teny an-toerana naka ny razana ihany koa ny teo anivon’ny BMH.

Mialy R.