23/04/2018

Ambanidia : Mpandeha voaroba tao anaty fiara

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray teny Ambanidia ny marainan’ny alarobia lasa teo. Lehilahy miisa efatra nilaza ho mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily araka ny loharanom-baovao no fantatra fa niditra an-terisetra, ary nanambana tamin’ny basy ny olona tanaty fiara, izay niseho teny Ambatoroka lalana hiakatra eny Ambanidia tamin’io maraina io. Araka ny fampitam-baovao dia fantatra fa tao anatin’ny fitohanan’ny fiara no nanararaotan’ireto lehilahy miisa efatra nitam-basy nitonona azy ho mpitandro filaminana nanatanterahana ny fanafihana. Fiara mainty marika “plaisir” nitondra olona sy vola araka izany no efa narahan’ireto farany izay tao anatin’ny fitohanan’ny fiara no nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Araka ny fanazavana avy amin’ny olona nanatri-maso ny tranga araka izany dia tsy nisy nahafantatra izay tena zava-nitranga marina izy ireo fa raha ny voamarina avy amin’ireo olona teny an-toerana nahita ny zava-nitranga dia tampoka ny nahatongavan’ireto efa-dahy. Fantatra ihany koa fa tao anatin’ny lalana “sens unique” no nisian’ny fandrobana teny an-toerana iny, noho ny fisiana fiara kamio iray niteraka fahatarana tao anatin’ny fitohanana izay nilaza ho tsy nahalala ny fiovana tamin’ iny lalana iny, izay efa lalan- tokana ihany ka lasa nitarika fitohanana naharitra. Tamin’izany no nahatonga ilay fiara mainty hitady lalana hitsofohana, ka nanararaotan’ireto lehilahy, tamin’ny filazana fa mpitandro filaminana, izay samy nanao fanamiana sivily izy ireo tamin’izany. Voalaza tamin’izany fa sady nanambana basy ny mpamily ny iray tamin’ireo, raha nanao amboletra naka ny vola tanaty harona plastika kosa ny namany sasany. Nivoaka nijery ny tranga avokoa ireo olona teny an-toerana, ary lasa niteraka savorovoro araka izany ny mahakasika izany, izay tsy tena fantatra izay fahamarinana na tena mpitandro filaminana na koa nisandoka andraikitra ireo efa-dahy nilaza azy ho polisy niaraka tamin’ny fanamiana sivily ireto. Niteraka resa-be noho izany ity toe-java-nitranga teny an-toerana io maraina io, satria raha nanantona ny mpitandro filaminana niasa teny an-toerana ireto olona voatafika ireto, dia voalaza fa olona efa nahatsikaritra ny volabe nentin’ireto farany ny olona nanao io asa ratsy io, saingy tsy tsikaritra kosa ny fisiana “badge” teny amin’izy ireo hanamarinana ny maha mpitandro filaminana azy ireo.

Valérie R.