11/12/2017

Ambanidia, Mahamasina, 67Ha : Mpisoloky fito lahy voasambotra

Tambazotra mpisoloky amin’ny resaka fivarotana ireny vato sarobidy sy lafo vidy ireny no ravan’ny zandary indray ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Fitolahy izy ireo no voasambotra tamin’ity asa ratsy ity, ary intelo miantoana ny fisamborana ireto olon-dratsy ireto. Tao ireo tratra teny Ambanidia, ary nisy tamin’izy ireo kosa no sarona teny Mahamasina sy 67Ha. Vehivavy iray no lasibatr’izy ireo tamin’izany, izay efa nahazoany vola mitentina 32 300 000Ariary. Mitovy tsy misy valaka tamin’ny fomba fiadian’ireo mpisoloky milaza fa manana, ary mivarotra “mercure” no nataon’izy fitolahy izay nahitana ny tompon’entana, mpanera sy mpivarotra, ary mpitily ny entana ireto. Mody nampiresahan’izy ireo io vehivavy io, fa misy vazaha tokony hividy ireo vato teny amin’izy ireo, saingy tsy mifankahazo ny fomba fiteny noho izy ireo tsy mahazo ny teny frantsay. Nanaiky ny hanao mpandika tenin’ny roa tonta noho izany ity lasibatra, ka tafalatsaka tao anatin’ny velapandrik’ireo olon-dratsy. Rehefa nandeha ny fifampiresahana, dia nilaza io teratany vahiny io fa tena ilainy ny entana, saingy maika ary tsy azo hifandaminana ny tompon’izany, ka nangataka ny hanomezan’io vehivavy io ampaham-bola azy ireo, fa honerany rehefa tonga eto an-toerana izy. Nanaiky tsy am-pihambahambana ity nosolokiana. Taorian’izay anefa dia mbola niantso indray ilay vazaha , ary nilaza fa tratran’ny lozam-pifamoivoizana, ary nandona olona ka tsy manaiky ireo manam-pahefana raha tsy omena vola, nefa ireto farany dia tsy mety mandray vola “Euros”. Mbola tafaroboka ihany io vehivavy io tamin’izany. Mbola namerina niantso fanintelony ilay teratany vahiny, ka mbola namahan-dalitra azy fa maty ilay olona nodominy, ka tsy manaiky ny fianakaviany raha tsy hanaovana fombafomba. Mbola nisy ihany koa noho izany ny vola nivoaka. Efa lasa ireo vola an-tapitrisany maro vao tonga ity faran, ka nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny zandary avy hatrany. Rehefa nandeha ny fikarohana dia tra-tehaka daholo ireo atidoha, ary efa natolotra ny fampanoavana omaly, ary nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Mbola hifampitadiavana kosa ilay teratany vahiny nandefasana ireo vola ireo amin’izao fotoana izao.

Mialy R.