19/10/2018

Ambalavao : Teratany sinoa hita faty

Lehilahy teratany sinoa manodidina ny 60 taona, tompona “quincaillerie” sy hotely lehibe iray any Ambalavao Fianarantsoa no hita faty tao amin’ny toeram-pivarotany tany an-toerana omaly maraina tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany. Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny polisim-pirenena any an-toerana, dia ny zanany tonga hamoha azy vao maraina no nahita ny vata mangatsiakany efa tsy nisy aina intsony. Raha ny vinavina ihany koa, dia ny alarobia alina lasa teo io teratany vahiny io no nisy nanafika sy namono tao an-toerana, ary raha ny fahitana ny razana, dia nodarohana tamin’ny vy na hazo teo amin’ny faritry ny lohany ka izay no nitarika ny fahafatesany. Ny azo inoana, dia taorian’ny fotoana nandehan’ny mpiasany roalahy sy nanidiana ny tsena tamin’io afakomaly io tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany hariva no nisehoan’izao asa ratsy izao. Ankoatra izao vonoan’olona izao moa, dia lasan’ireo tsy mataho-tody ihany koa ny basy poletan’ity lehilahy lehibe ity, niaraka tamin’ ny entana sy ny vola izay mbola tsy fantatra mazava ny totalin’izany. Efa misokatra ny fanadihadiana, ary efa mandeha ihany koa ny fikarohana ireo nahavanona izao fandrobana miaro habibiana tsy roa aman-tany izao.

Mialy R.