19/12/2018

Aiza no aleha : Trass Tsiadana

Seho miavaka entin-dry Ikala Vazo
Andriambavilanitra telo samy manana ny talentany no mandrafitra ny tarika Ry Kala Vazo, izay hiaka-tsehatra ary hitondra seho miavaka anio alina etsy amin’ny Trass Tsiadana. Nahafantarana azy telo mirahavavy hatramin’izay ny fiangaliana ireo hirana mpanakanto samihafa, na Malagasy na vahiny, amin’ny endrika sy fandrindrana miavaka. Miavaka satria dia amin’ireo zava-maneno malagasy toa ny ampongalava, ny valiha ary ny kabôsy no hiangaliany ireny hira ireny. Anisan’ireo hira efa nahafantarana ny tarika ny « O ry kala »… ankoatra ny fiangaliana hira mpanakanto hafa anefa dia efa manana ny hirany ihany koa ny tarika raha tsy hitanisa afa-tsy ny « Topimaso »…

Karibotel 26 – Analakely
Ny rock miten’ny tarika Jeneraly
Anisan’ireo tarika nanana ny lazany teo amin’ny sehatry ny rock malagasy tany amin’ny taona 80. Na efa tsy eo intsony aza i Gabhy, mpamorona sy nanorina ny tarika, mbola manohy ny fivoizana ny rock miteny ireo ankanga sisa nanamboarana sy ireo solofo nandimby. Mahafehy tsara ny feon’i Gabhy i Andy, mpihira amin’izao fotoana. Mahavariana hatrany ny fahaizany mamerina ireo hira nahafantarana ny tarika raha tsy hitanisa afa-tsy ny « Kala Françoise », « Izany vehivavy izany » , « Ny toaka »… Etsy amin’ny Karibotel 26, Analakely indray no fotoana hiarahana amin’ny tarika anio alina manomboka amin’ny 9 ora.

Serre à Sera – Ambolokandrina
Tovo J’hay sy ireo hiran’ny fitiavana
Taorian’ny tetsy amin’ny American Center, manome fotoana ireo mpankafy azy amin’ny seho takariva indray i Tovo J’hay ka hitondra ny hiran’ny fitiavana etsy amin’ny Serre à Sera Ambolokandrina, anio alina. « Ndao mba hiaraka… hikalokalo ‘lay andolana izay » no lohatenin’ny seho ary hitondrany an-tsehatra indray ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay ka hatramin’izao. Anisan’ireo hiaka farany entiny an-tsehatra ny « Hiverina eto amiko ihany », « Tsy hanaiky intsony », « Tena fatratra »…

Pic Vert – Ambatobe
Ireo kanton’ny Tarika Iraimbilanja
Tarika nanana ny lazany teo amin’ny mozika Rock ihany koa ny tarika Iraimbilanja. Na efa nahazoazo taona aza, mbola tsy miova eo amin’ny sehatry ny mozika ry Batata sy ny namany. Porofon’izany, manome fotoana ireo mpankafy azy etsy amin’ny Pic Vert Ambatobe anio alina ny tarika Iraimbilanja. Mandritra izany no handrenesana indray ireo hira nanamarika ny tantaran’ny tarika niainga tany amin’ny « raosijamba » ka hatramin’ny « Tsindrimandry », « Mosoara »… Tsy adino ihany koa anefa ny findrana ny sangan’asan’ireo mpanakanto vahiny sangany eo amin’io mozika io