16/11/2018

AIZA NO ALEHA : Piment Café – Behoririka

Olombelo Ricky sy ny vazony

Taorian’ny Manal’azy, dia mbola mitohy ireo seho samihafa hiarahana amin’ny Olombelo Ricky. Anio dia manome fotoana ireo mpankafy azy indray ity mpanakanto ity, etsy amin’ny Piment Café Behoririka, manomboka amin’ny 9 ora alina, ao anatin’ilay seho nampitondrainy ny lohateny hoe « Ty ho anao dia ty ho anahy ». Mandritra io seho io no handrenesana indray ireo hira efa nahafantarana ny Olombelo Ricky, toa ny « Kala Ngita », « Iny havako iny »… ary indrindra ny tolotra tsy ampoizina.

Fatapera – Antaninarenina
Hampiaraka talenta i Tselonina sy Lilie

Mpanakanto roa samy manana ny maha-izy azy. Hampiaraka talenta etsy amin’ny Fatapera Antaninarenina anio alina i Tselonina sy Lilie. Hisongadina ao anatin’ny seho ny hiran’Ingahibe Tselonina, izay hiangaliany hatrany miaraka amin’ny gitara. Anisan’ireo mpanakanto namorona hira ho an’andriambavilanitra, ary mahay mampiara-peo ihany koa i Tselonina, ary hisongadina izany amin’izao fiarahana izao. Anisan’ireo hira ho heno mandritra ny seho ny « Indray hariva izay »…

Skate Park -Ankaditapaka
Ankiz’mozik Festival

Niainga avy amin’ny fahitana ny finiavan’ny ankizy nandritra ny « Jazz kids ». Hotanterahina ny 21 oktobra izao ny hetsika « Ankiz’Mozika festival », sehatra iray hanehoan’ireo ankizy ny talentany eo amin’ny sehatry ny mozika. Ny Skate Park Ankaditapaka no hampiantrano ny hetsika. Handray anjara amin’ny hetsika ireo ankizy mpianatra amin’ny sekoly fampianarana mozika eto an-drenivohitra. Tanjon’ny hetsika, ankoatra ny fanomezana sehatra ny ankizy manan-talenta eo amin’ny tontolon’ny mozika ny fanehoana, fa afaka miara-dia ny kolontsaina sy ny fanabeazana.