21/09/2018

AIZA NO ALEHA : CCEsca – Antanimena

« Deuxième voyage » hiarahana amin’i Françis sy Gothlieb

Tohin’ny fetin’ny mpifankatia. Taorian’ny seho tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, dia averina indray ilay seho hiarahan’i Françis Turbo sy Gothlieb, « Amour’rire », ary nampian’izy ireo hoe « Deuxième voyage ». Tsy hivoana tamin’ny seho tetsy Mahamasina no atolotr’izy mirahalahy etsy amin’ny CCEsca Antanimena ny alahady 11 marsa izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Ankoatra ny hatsikana, izay hifangaroan’ny masira sy ny mamy, dia hanana ny anjara toerany amin’io seho io ihany koa ny tontolon’ny hira.

Trass Tsiadana
Hikalo ireo hirany malaza i Solo Andrianasolo

Mpanakanto tsy zoviana amin’ny feo mangany sy ny fahaizany mitendry gitara. Hikalo ireo hirany malaza i Solo andrianasolo anio alina manomboka amin’ny 9 ora etsy amin’ny Trass Tsiadana. Maro ireo hiran’ity mpanakanto ity no tsy afaka ambavan’ny maro raha tsy hitanisa afa-tsy ny « Isaky », « Ny hira », « Hasambarana »… Hampiavaka ny seho ny nanasany an’i Bodo hiara-hikalo aminy amin’ireo hira sasany niarahan’i solo nikalo tamin’ny andriambavilanitra. Santionany amin’izany ilay hira « Ry lasako »…

Jao’s Pub – Ambohipo
Tsinjaka mafana miaraka amin’i Big Mj

Taorian’ny fivahinianana tany an-dafin’ny riaka, dia manome fotoana ireo mpankafy azy, ary hanolotra tsinjaka mafana etsy amin’ny Jao’s Pub Ambohipo anio alina i Big MJ. Fotoana handrenesana indray ireo hira nentin’ity mpanakanto ity tamin’ireo seho nataony toa ny « Célibataire », « no limit », « anao ndraiky zah »… Hanakoako mandritra ny seho ihany koa ireo hiaka farany navoakany, ary anisan’izany ny « Na lingui you », izay lohateny nampisalorany io hetsika io ihany koa.