12/12/2017

Air Madagascar : Kaompania roa no voatana

Nihintsana an-dalana. Araka ny efa fantatra, kaompaniam-pitaterana an’habakabaka vahiny telo, Air Mauritius sy Air Austral ary Ethiopian Airlines, no kandidà amin’ny fiaraha-miasa amin’ny kaompania Air Madagascar.

Taty aoriana, nihena ho roa izany rehefa nihintsana an-daharana ny Air Mauritius. Araka izany, ny Air Austral sy ny Ethiopian Airlines sisa no hiady lohany amin’izay hiara-hiasa amin’ny Air Madagascar sy ny fanjakana malagasy. Ireo kaompania vahiny roa ireo izany no nahafeno ny fepetra rehetra notakiana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fisokafan’ny renivolan’ny kaompania Air Madagascar. Voalaza fa efa mandeha ny fifandresen-dahatra amin’izao fotoana izao ary hisy fanasana ny “adjudicataire definitif” amin’ny fanaovan-tsoniam-pifanarahana amin’ny fanjakana malagasy amin’ny fanarenana sy fampivoarana ary fampandrosoana ny Air Madagascar any amin’ny faha-31-n’ny volana Marsa any.

Marihina mantsy fa ny fanjakana malagasy no manana petra-bola betsaka indrindra amin’ity kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Air Madagascar ity.

Ankoatra izay, nanambara ny orinasa Air Madagascar fa miankina tanteraka amin’ny fombafomba sy ny fitsipiky ny fanjakana malagasy, izay manana petra-bola betsaka amin’ny orinasa, ny sivana amin’ireo kaompania roa kandidà nahafeno fepetra ireo.

Ankoatra izay, efa eo am-pelatanan’ny tale jeneraly vaovao, Hery Nirina Rakotomalala, ny ho avin’ny Air Madagascar. Efa miroso amin’ny fametrahana ny politika-pampandrosoana sy fanarenana ny orinasa izy sy ireo mpiara-miasa aminy.

 

MN