14/11/2018

AFT Andavamamba : Hanakoako ny vazon’ny tatsambo

Fampahafantarana an’i Bretagne, faritra avaratra andrefan’i Frantsa. Hanakoako etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba ny 10 novambra izao ny vazon’ny tatsambo ao anatin’ilay hetsika karakarain’ny fikambanana Trégor Madagascar. Ity farany izay hankalaza ny faha-10 taonany amin’ity volana novambra ity. Ny tarika Les Souillés de Fond de Cale no hiangaly izany ary hampahafantatra misymisy kokoa an’i Bretagne . Hetsika ho fanamafisana ihany koa ny fifandraisana ara-kolontsaina eo amin’i Bretagne sy Antananarivo. « Tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny fikambanana sady fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’ny firenena roa tonta ny tanjon’ny tetikasa », araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Sage Harisoa.

Ny taona 1991 no niforona ny tarika « Les Souillés de Fond de Cale », ary manavanana ny tarika ny fiangaliana ireo vazon’ny tantsambo. Ao anatin’ny fitetezana firenena maro ny tarika ka avy any Pays-Bas izy no handalo eto Madagasikara ary hanolotra seho maromaro ao anatin’ny telo herinandro.

Miarantsoa