25/04/2018

Ady amin’ny trafikana sokatra : Hohamafisina ny paikady napetraky ny fanjakana

Nisesisesy tao ho ao ny fahatrarana sokatra, izay nokasaina hamidy teto an-drenivohitra sy haondrana any ivelany. Nisy noho izany ny fepetra noraisina amin’ny alalan’ny fanamafisana sy ny fanatsarana ny paikady efa napetraka teo aloha, amin’izay ady hatao izay. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny firenen-dehibe sy ireo mpiara-miombon’antoka atsy ho atsy amin’ny fametrahana paikady hafa, hahafahana miady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ireo harena voajanahary amin’ny ankapobeny. Nanambara ny tale jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo Iainana, Randrianasolo Eric fa isan’ny fepetra noraisin’izy ireo ny handefasana solontena avy eo anivon’ny minisitera hanao fidinana ifotony any Atsimo, izay toerana tena hiavin’ireo biby ireo. Hojerena ao anatin’izany hoy izy ny lesoka mety mbola mampirongatra io trafika io, ary hohamafisina ny paikady mba tena hahomby tokoa. “Ny paikady dia efa misy ary ny fomba fiasa dia efa mipetraka. Ilaina ny fiaraha-miasa sy ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay amin’ny fanaraha-maso ny lalana diavin’ireo sokatra”, hoy ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity. Efa betsaka moa ny ezaka vitan’ny fitondram-panjakana mahakasika ity raharaha ity, porofon’izany ny fahatrarana ireo olona manao ity asa ratsy ity sy ny fampodiana teto an-toerana ireo sokatra naondrana tany Malezia sy tany Kaomoro tamin’ity taona ity. Ankoatra ny fifanomezan-tanana eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ny eo anivon’ny fitsarana, ny eo anivon’ny fadin-tseranana , ny zandarimariam-pirenena, ary ny ny polisim-pirenena, dia miara-miasa amin’i Madagasikara amin’ny famongorana ity resaka trafika-na sokatra ity ihany koa ny CITES, sy ireo firenena mikambana ao anatin’izany. Mahakasika ireo olona telo tratra nitahiry sokatra miisa 10 073 tany amin’ny kaominina Betsinjaka, distrikan’i Toliara kosa, dia anio no atolotra ny fampanoavana any Toliara ny raharaha.

Mialy R.