19/10/2018

Ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana : Lehilahy mpanamboatra basy saron’ny zandary

Mitohy hatrany ny ezaka hatao hiadiana amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Lehilahy iray, izay voalaza fa mpanamboatra basy no voasambotr’izy ireo tao an-tranony, tany amin’ny fokontany Vohimasina, kaominina ambanivohitr’i Belobaka ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 06 ora maraina. Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ity vondron-kery ity, dia fampilazam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny fisian’ity lehilahy mpanamboatra no sady mpivarotra fitaovam-piadiana ity. Nidina ifotony tany amin’ny toerana voalaza noho izany ireo mpitandro filaminana ka tra-tehaka niaraka tamin’ny basy miisa valo sy ny akora maromaro fanamboarana izany tao an-tranony tokoa ity farany. Nentina nanaovana fanadihadiana tany amin’ny borigady tao amin’ity kaominina ity avy hatrany moa ny tenany, ary nogiazana ihany koa ireo basy sy fitaovana marobe ireo. Raha ny filazany nandritra ny fakana am-bavany, dia fantatra fa misy olona mamandrika mialoha, ary izy no manamboatra izany avy eo. Isan’ny olana goavana mampirongatra ny resaka tsy fandriam-pahalemana ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana eto amintsika. Ny mpanamboatra azy ireny ihany mantsy no mamatsy basy ireo dahalo sy jiolahy. Ny zavatra nohamarinin’ny mpitandro filaminana eto amintsika ihany koa, dia misy amin’ireo olon-dratsy no efa manana fitaovam-piadiana betsaka sy hary fomba mihoatra ny hananan’izy ireo, ka izay no isan’ny maha-sarotra ny fanarahan-dia sy ny fanenjehana azy ireny indraindray. Omaly moa no natolotra teo anatrehan’ny fampanoavana tany Tsiroanomandidy ny raharaha, ary nadoboka am-ponja vonjimaika avy hatrany tany an-toerana ity mpanamboatra no sady mpivarotra basy ity taorian’izay.

Mialy R.