14/11/2018

ACYBMAD : Handefa taratasy ho an’ireo mpizara tambazotra

Manoloana ny faharatsian’ny kalitaon’ ny « connexion », omen’ireo tambazotra amin’izao fotoana izao, dia handefa taratasy any amin’ny tambazotra orange sy telma, ary amin’ny mpandraharaha hafa ny fikambanan’ny ACYBMAD, izay hivondronan’ny tompona cyber sy ny mpampiasa aterineto eto Madagasikara. Tsy vitan’ny ratsy fotsiny anefa ny “connexion”, fa milaza hampakatra ny saran’izany “connexion” izany ireo tambazotra. Nisy araka izany ny fivoriana notanterahin’ny ACYBMAD ny sabotsy teo, mba hisian’ny fandaminana eo anivon’ireo tompona “connexion”. Takiana ao anatin’io taratasy io ny famerenana amin’ny laoniny sy fangatahana fihaonana, mba hanazavana ny tena zavatra mitranga amin’izao fotoana izao. Hangatahana fanazavana ao anatin’io ny antony maharatsy ny “connexion” sy ny fampakarana, araka ny fanazavana. “Ny vahoaka miha-sahirana, ny cyber miha-sahirana izay zana-bahoaka ihany koa. Etsy ankilany, midongy ho laharana voalohany daholo ireo tambazotra ireo. Dia sanatria ho laharana voalohany amin’ny fampakarana vidin’ny entana, na laharana voalohany amin’ny fanaovana tsinontsinona vahoaka, sa laharana voalohany amin’ny tokony hiara-hiasa amin’ny vahoaka”, hoy ny filohan’ny ACYBMAD, Rakotonirina Rija. Raha 20 000 Ariary isan-taona ny fiakarana teo aloha, dia fantatra fa 200 000 Ariary izany amin’izao fotoana izao. Manoloana io fampakarana io, dia tsy maintsy hampakatra sarany ihany koa ny cyber. Izany hoe, raha 20 Ariary hatramin’ny 30 Ariary ny iray minitra amin’ny “connexion” eny amin’ny cybercafé amin’izao fotoana izao, dia voatery hampakatra 100 Ariary izy ireo. Ho zakan’ny vahoaka ve izany? Marihina fa olona mandeha miasa daholo ny mamonjy cyber amin’izao, fa efa any amin’ny finday daholo no manao “facebook”, “tchat”. Nambara fa hanao hetsika lehibe ny ACYBMAD, rehefa tsy mahazo valiny mahafapo any amin’ireo tambazotra.

Laurena Nany