17/10/2018

Abdoulaye Bathily : Neken’ny rehetra ny fifanarahana mankany amin’ny fifidianana

Nifarana omaly ny dian’ny mpanolotsaina manokan’ny sekretera jeneralin’ny vondrona iraisam-pirenena Abdoulaye Bathily teto Madagasikara manoloana ny zava-misy eto Madagasikara, niompana betsaka tamin’ny fihainoana ny mpisehatra rehetra ny diany teto, ary nitady vahaolana ihany koa. Raha ny fanazavana izay nentiny nandritra ny tatitry ny diany dia nahomby ny fifampiresahana, ary samy nanamora izany avokoa ireo izay voakasiky ny zava-misy. Noho izany hoy izy dia nahafahana namoaka fifanarahana politika iraisana ny fifampiresahana, ary tanjona amin’ izany ny hahatongavana amin’ny fifidianana madio, mangarahara ary eken’ ny rehetra. Tsapa tamin’ny fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra rehetra ihany koa hoy ity iraka manokan’ny sekretera jeneraly ny vondrona iraisam-pirenena ity ny fahavononan’ny rehetra hametraka ny filaminana sy ny fitoniana eto amin’ny firenena. Teny ampamaranana dia natsidik’i Abdoulaye Bathily fa hanohy ny asa efa natomboka ireo mpiara-miombon’antoka hahatongavana amin’ny fifidianana ampitoniana sy araka ny fe-potoana voalazan’ny lalàm-panorenana

Iratra Raitra