19/11/2018

67Ha : Trano iray kilan’ny afo

Nitrangana hain-trano indray teny 67 Ha omaly tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro. Iray tamin’ireo “cité” eny an-toerana no niharan-doza tamin’izany. May kila forehitra ary tsy nisy noraisina intsony ny entana tao amin’ireo efitra rehetra nandalovan’ny afo. Araka ny nambaran’ny teo anivon’ny mpamonjy voina, dia ny ambony rihan’ilay trano no niharan’ny firehetana raha toa ka tsy voakasika ny tao ambany rihana. Tsy fantatra mazava kosa hatreto izay tena nahatonga ny loza, fa raha ny fanazavana, dia ny lelafo efa nivoaka teo am-baravarankely sy teo an-davarangana no nanaitra ny olona tety ivelany, ka nahatonga azy ireo hampandre ireo mpamonjy voina faran’izay haingana. Raha ny fantatra mantsy, dia tsy nisy afa-tsy ankizy roa tao amin’io trano io ka vantany vao nitranga ny loza dia nivoaka izy ireo ary tsy nampilaza . Vetivety foana dia niparitaka ny afo ka tsy afaka nanao na inona na inona afa-tsy ny nifehy izany tsy hihanaka any amin’ny tranon’olon-kafa no nataon’ireo tompon’andraikitra. Isan’ny nahasarotra ny famonoana izany ihany koa ny fisiana aro vy teo amin’ilay varavarankely, ka voatery tsy maintsy niakatra tohatra avy eo ivelany ireo mpamono afo. Na dia teo aza izay fahasarotana sy fahavoazana izay, dia tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra. Mbola tsy voafaritra mazava kosa ny totalim-bidin’ireo entana rehetra lasa lavenona. Isan’ny olana tsy hahafahana manao ny asam-pamonjena amin’ny loza tahaka izao matetika ny fisian’ireny “grille de protection” amin’ny varavarankely sy amin’ny lavarangana ireny. Ilaina ny mandray fepetra hiadiana amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana, saingy tokony hojerena ao anatin’izany ihany koa ny tsy hisian’ny fahasarotana raha misy hain-trano na loza miseho eo amin’ny lafin’ny fivoahana , sy ny resaka vonjy aina. Tsy hohadinoina ihany koa ny fanentanana ireo ray aman-dreny na ireo olon-dehibe mba tsy hamela zaza irery ao an-trano hisorohana amin’ny fahavoazana tahaka izao izay mety hiafara amin’ny famoizan’ain’ireo tsy manan-tsiny mihitsy.

Mialy R.