11/12/2017

67Ha Avaratra : HEROÏNE 4,5 GRAMA TRA-TEHAKA

“Heroïne” milanja 4,5 grama no saron’ny polisy teny 67Ha Avaratra ny 04 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 02 ora sy sasany tolakandro. Fahazoam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny fisian’ireto olona mivarotra zava-mahadomelina mahery vaika eny an-toerana ireto, ka nisy ny fidinana ifotony natao, ary napetraka niaraka tamin’izay ihany koa ny vela-pandrika ahafahana misambotra azy ireo. Tamin’izany no nahatrarana am-bodiomby roalahy , teo am-pivarotana ireo “heroïne” ireo, ary rehefa natao ny fisavana dia nahitana karazan’io zava-mahadomelina io milanja 4,5 grama tany amin’izy ireo. Teo noho eo ihany dia raikitra ny fakana am-bavany, ka tamin’izany no nilazan’izy ireo fa mpivarotra karamaina fotsiny ihany izy roalahy ireto. Tamin’ny alalan’ny famotorana ihany no nanondroan’izy ireo ny toeram-pivarotan-toaka iray eny toerana izay voalaza fa fitehirizana ireo “herne” ireo. Nilatsaka tao amin’ny toerana voalaza, ireo polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina avy eo, ka tra-tehaka indray ny ramatoa iray 48 taona, izay fantatra fa tompon’ilay tsena, ary renin’ny tompon’ireo entana amidy ireto. Noraisina ho firaisana tsikombakomba tamin’io zanany manao fitadiavam-bola maloto io no nataon’ity renim-pianakaviana ity, ka notanana avy hatrany niaraka tamin’ireo roalahy voasambotra ireo ihany koa ny tenany. Tamin’ny fanadihadiana ihany no mbola nahalalana fa efa am-bolana maromaro no nanaovan’izy ireo izao asa tsy ara-dalàna izao, ary amidy amin’ny sarany 80 000 Ariary ny iray grama amin’izany, raha toa 10 000 Ariary dia mahazo 0,10 grama. Ankoatra ireo voalaza, dia fantatra ihany koa fa 10 000 Ariary no hanakaramana ireto mpivarotra zava-mahadomelina mahery vaika ireto. Matetika dia eny amin’iny faritra 67Ha iny no tena ahatrarana ireo mpivarotra “heroïne” sy “cocaïne” raha eto an-drenivohitra no resahina. Efa tsy latsaky ny intelo ireo mpitandro filaminana no nanao fisamborana teny amin’iny faritra iny, ary nisy teratany afrikanina, izay voaporofo fa mpampiditra ireo entana ireo eto amintsika no tratra teny an-toerana tamin’ny fidinana ifotony izay nataon’ireo polisy.

Mialy R.