21/09/2018

40 taona : Mpanakanto maro nanotrona an’i Erick Manana tetsy Mahamasina

Ela tsy nifankahita ka nafana ny fiarahana. Taorian’ny fitetezam-paritra samihafa, nitony tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fankalazan’i Erick Manana ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra. Mpanakanto maro omaly no nanotrona azy ary nivoitra sy nanakoako nandritra izany ireo hira rehetra nahafantarana ity mpanakanto ity. Voafintin’i Erick Manana tao anatin’ny ora maromaro ny 40 taona nidirany teo amin’ny sehatry ny mozika, na maro tamin’ireo aza no tsy afa- notontosaina noho ny antony samihafa. Nandalovan’i Erick Manana ny fanombohany niainga tamin’ny fiangaliana ireo hiran-dRazilinah, ka hatramin’ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpanakanto maro taty aoriana. Fototry ny mozikan’i Erick Manana ny gitara, ka nanampy an’i Erick Manana nandritra ity seho ity ireo kalaza amin’ny fitendrena nahitana an’i Kolibera sy Nini Kolibera. Ireo mpanakanto avy amin’ny vanim-potoana samihafa no nanotrona azy ary hafa kely ny nanarahan’i Erick Manana ny sangan’asan’izy ireo. Nandray anjara tamin’ny fampisehoana ry Salomon, Ry Kala vazo, Voara, Lolo sy ny tariny.. ary Mamina sy koloina avy amin’ilay fifaninanana « Feto tokana gitara iray »

 

Miarantsoa