22/09/2018

14 taona lasa izay-NAONGAN-DRAVALOMANANA NY FITONDRAN-DRATSIRAKA !

Ho feno 14 taona amin’ny sabotsy 7 Janoary ho avy izao ny niandohan’ny fianjeran’ny fitondrana Didier Ratsiraka. Vaky tamin’io marainan’ny 7 Janoary 2002 io ny barazin’ny mpitandro filaminana namefy ny kianjan’ny 13 May. Niara-dia tamin-dRavalomanana Marc tamin’izany fandrodanana ny fitondran’ny amiraly Didier Ratsiraka izany ry Sareraka. Nanomboka tamin’io fahavakisan’ny kianjan’ny 13 May io no niandohan’ny firodanan’ny fitondran’ny amiraly. Ny alin’io 7 Janoary 2002 ihany dia efa nametraka ireny barazy nampitondraina ny anarana hoe “andrimaso-pokonolona” ny mpomba an-dRavalomanana. Niomana tamin’ny fametrahana barazy tany amin’ireo faritra ivelan’ny renivohitra kosa ny mpomba ny amiraly mba hanaovana fahirano ny mponin’Antananarivo. Nanao tohy vakana ny fanapoahana tetezana (Ambohimandroso, Fatihita), toraka izany koa ny fametrahana barazy teny amin’ny tetezana ireny toa ny tao Brickaville. Nataon’ny amiraly Didier Ratsiraka an-kivy tanteraka ny faritanin’Antananarivo.

Fanonganam-panjakana fahadimy teto amin’ny tantaran’ny firenena no niantomboka tamin’io datin’ny 7 Janoary 2002 io. Mbola tsy namoaka ny voka-pifidianana akory ny HCC dia efa naka ny fanjakana tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana i Marc Ravalomanana. Efa tany amin’ny 25 Janoary 2002 tokoa mantsy ny HCC vao namoaka ny voka-pifidianana ary nilaza ny fisian’ny fihodinana faharoa izay nolavin’ny mpomba an-dRavalomanana, nivondronan’ireo mpanao politika sy manamboninahitra mpitady seza. 46,21% ho an-dRavalomanana Marc; 40,89% kosa ho an’ny amiraly Didier Ratsiraka. Io no vokatra navoakan’ny HCC.

 

Ny lisitr’ireo trano nodorana nandritra ny « hazalambo » 2002

  • Ny tranon’i Guy Willy Razanamasy teny Ankerana
  • Ny tranon’i José Andrianoelison teny Mahazo
  • Ny tranon’ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile teny Ambatomaro
  • Ny tranon’ny tale jeneralin’ny prezidansa Gérard Andrialemirovason teny ambanin’Ankatso
  • Ny radio Tsioka Vao

Ankoatra ireo fandorana sy fandrobana dia teo koa:

  • Ny famonoana ho faty an’i Roland Ravolomaso tao Ambohitsorohitra (tsy misy Fitsarana hatramin’izao)
  • Ny fampiasana herisetra (torture) an’i Yves Bruno Ralison sy Ralipo-Be
  • Ny fanolanana (viol) natao tamin’ny solombavambahoakan’i Toamasina
  • Ny halatra sy fandrobana ary fanolanana nataon’ireo zanadambo nanerana ny Nosy

Fehiny, vonoan’olona sy fandrobana no niakaran-dRavalomanana Marc teo amin’ny fitondrana, maro ireo aina nafoy nandritra iny krizy 2002 iny noho ny fitiavam-pahefana diso tafahoatra teo amin’ity ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha ity.